4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Asandratro (feon'anjomara vaovao - FAV) Ecar Manjakaray

ASANDRATRO





Asandratro ny tanako

Inty raiso Tompo o

Atolory ahy,ny Tananao

(Fa mbola osa sy malemy aho) 2X

Fa Ianao no Andry itokiako

Sady manda  fiarovako

Eo an-tsandrinao no faniriako

Ka tsy mba hanan-tahotra aho



Asandratro ny feoko

Mitalaho, Tompo o

Henoy re, ty zanakao

(Na dia mpanota tsy mendrika) 2X

Fa Ianao mahita izay kilemako

Sy ny tebitebiko

Aza avelanao hiady irery aho

Fa ampio mba tsy ho rendrika



Atolotro, ny foko anio

Raiso Tompo ka sasao

Dia hamasino sy tafio

Ny fon’ilay Zanak’ondrinao

Ny fon’Ilay Zanak’ondrinao

Partager asandratro (feon'anjomara vaovao

Commenter asandratro (feon'anjomara vaovao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FAV) Ecar Manjakaray